INONA NO MAMPIAVAKA NY PAMF?
INONA NO MAMPIAVAKA NY PAMF?
Ny PAMF dia ivon-toerana fitehirizana sy fampindramam-bola izay eo ambany fiahian'ny Aga Khan pour le Développement Economique (AKFED) ary ao anatin'ny vondrona Aga Khan de développement (AKDN), niforona teto Madagasikara tamin'ny taona 2006. Orinasa mikirakira vola izay nahazo fankatoavana avy amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny PAMF araka izany. Misehatra amin'ny fampandrosoana sy ny fanamorana ny fahafahan'ny olona misitraka ny tolotra ara-bola ny orinasa. Mandray anjara feno amin'ny fampidirina ny olona eo amin'ny sehatry ny ara-bola eto Madagasikara ny PAMF ary manana tolotra maro samihafa mikasika ny fitehirizana sy fampindramam-bola izay mifanaraka amin'ny filàn'ny tsena.
Ny fenitra mifehy

Manamora ny fahazoana ny tolotra ara-bola, mifanaraka amin'ny vondron'olona rehetra sy ny mpandraharaha madinika.

Mampivelatra ny fahaiza-manaon'ny mpiara-miasa rehetra izay antoka mampandroso hatrany ny orinasa.

Manome tolotra mifanaraka amin'ny fahafahana ara-bola eo amin'ny orinasa.
Ny etika
